Flagmada
Fotsy mena maitso ihany ny antsika e!

Lahatra ve ny fahantrana?

malagasy

malagasy

Lahatra ve ny fahantrana?

Raha ny eto amin’ny tany Malagasy no asian-dresaka dia mbola maro lavitra ny mahantra raha hoarina amin’ny mpanana.
Raha ny atsasamanila ny Malagasy mantsy dia mbola tsy mahita sakafo aradalana ( Mihinana sakafo izay manome ny ery ilaina etina ny vatana hitombona sy hanatanterahina ny asa) isan’andro izany..Rehefa voky ny kibo dia efa ampy izay. Any ka mofogasy roa sy kafe na dite ray kopy dia efa ampy ny sakafo maraina.
Sanatria akory tsy hoe anakihina ny sasany fa milaza ny zavamisy fotsiny ihany.Ka izao, raha mofo gasy sy dite zay fotsiny no atao sakafo maraina ( izany hoe hery hoetina miatrika ny andro manotolo artamin’ny 50 isan-jato ) dia tsy havita ameno ny filan’ny vatana mihitsy zany.(raha tsy hoe misakafo ‘nga dia aveo matory miala sasatra).
Nohon’ny tsy fisiana sy ny fahazarana nefa dia lasa toa tsy mampaninona ny vatana intsony izany. Raisiny foana izay kely noaninao ( mofo gasy 2 sy dite ray kopy) ary ny any fomba angalany hery hoety miasa dia ny tahiry kely izay tokony ho lasa tavy indray no kikisany.
Raha jerena ny lafiny hafa nefa dia tsra ihany satria tsy hataorana ny hatavy be toy irony mpanao tolona toy irony any Japon irony ianao.

Izany rehetra izany moa dia notao ho taridresaka fotinsy ihany hidirana sy hanadiadiana ny fanotaniana hoe : Lahatra ve ny Fahantrana?

Inona ary moa no atao hoe lahatra? Maro ny valinteny amin’izany fa raha ny ahy dia ‘ndeha fotsiny hofaritana hoe ny lahatra dia ireo zavatra miseo tsy ananan’ny olombelona fahefana fa dia tsy maintsy ekena.
Ny fahantrana kosa dia ho lazaintsika hoe ny tsy fahafahana mameno ny filalana na ara bola, fanahy, fitiavana,…

Tsy aiko loatra lo raha toa ka lahatra ny fahantrana fa ny any fantatro dia tsy misy olona na dia iray aza angamba te-hahantra eo amin’ny fiainany. Fa maninona kosa nefa no mbola misy ihany ny mahantra?
So mba efa maro loatra ny manana ka tsy ampy tsony ny toerana e? Sa ve, ny arena mila vitana?
Mety ny olona niantra sy nandrato fianarana ihany angamba no afaka manakarena ka!
Maninona nefa ny mpofinay tany amin’ny Oniversite tsy mba mananana fiara akory? Maninona le dokotera etsy andrefantrano etsy tsy mitondra na dia Moto kely aza?
Very fanahy mihitsy aho ry reto a! Sao nareo manana sosokevitra na valin-teny amin’io fanotanina io?
Lahatra ve ny fahantrana?

One Response to “Lahatra ve ny fahantrana?”

  1. Marina ihany lo fa tsy misy olona misafidy ny hoe hahantra zany eto an-tany e.
    Inona nefa no tokony atao raha mba te hiadana ara mpilana.
    Raha miasa birao enao an, tsy havelona anao mihitsy raha ny smig gasy. Raha bacc plus 5 enao mety mbola hikaramana 300.000ar isam-bolana.
    Raha izay vola izay nefa tsy hoampy apirevena ny ankizy mihitsy. Voafetra eo amin’ny sakafo fotsiny ihany. Ny akanjo aza tsy afaka mividy akory. Soa ihany fa misy ny friperie.
    Tsy mahagaga raha mandrongatra ny mpangalatra eto amin’ny tanana amin’izao. Raha ny eto amin’ny manodidina ahy zao an, efa miresaka moto ihany enao etsy ambony, dia vao alina no nisy nibata ny moto an’ilay olona ray tanana amiko.
    Tsy nisy 3 erin’andro akory zay nisy nangalatra ny bitro tao an-tokotanin’i Ngay Polisy ( mipetra ao andrefan-trano ao). Jereo amin’izany fa na ny polisy aza sahin’ry lerony.
    Efa manomboka mia ratsy ny tantara ny tena marina e. Tsy hita intsony izay anaovana azy.


Leave a Reply