Ny hira taloha sy ny ankehiriny!
Betsaka tokoa no tsy mahalala ny atao hoe “kalon’nY fahiny” ankehitriny.
Maro ihany anefa ny tanora no tena liana amin’io farany na dia eo aza ny mpanefoefo.
Tsara ho fantatra anefa ny soa ho entin’ireny karazan-kira ireny
eo amin’ny fiaraha-monina.
Ny hira taloha ohatra raha ampitahaina amin’ny an’izao fotoana dia lava dia lava
ny fehezanteny mandrafitra azy ka manampy ny fitadidiana hiasa tsara ary
mitondra anatra maro isan-karazany rahateo moa izy ireny no sady ahitana sarin-teny
isan-karazany.
Marina fa efa misy ny fivoarana fa tsara ihany koa anefa ny mitahiry azy
ireny satria ireny tokoa ny maha-malagasy ny gasy fa tsy ny fanovanovana ny an’ny hafa
akory. Miavaka tokoa ireny hira ireny na eo amin’ny sehatry ny gadona izany na eo amin’ny
sehatry ny kanto:
1 – ny BA GASY no mandravaka ny hira ary izy io dia ahitana fifanenjehana mirindra
tokoa eo amin’ny feo efatra.
Matetika dia feo 4 hatrany no hita eo amin’ny hira iray ary tsy manakana ny fisian’ny
hira kaloina amin’ny feo telo na roa na tokana ihany koa izany.
Tsara ihany koa ny mahalala fa ny Kalon’ny fahiny dia saika ho noforonina ho haingon’ny
tantara an-tsehatra ka miompana amina lohahevitra maro isan-karazany.
2 ny FIHETSIKA AN-TSEHATRA ataon’ny mpiangaly ihany koa dia mampihaina tanteraka
ny hira ary ny fitafiny kosa dia raitra maneho tokoa ny Maha-Malagasy:
maontina miaraka amin’ny tao volo maneho ny maha izy antsika ary tsy hadino ny haingo
isan-karazany.
Ny hira ankehitriny kosa anefa dia mivantambatana tsy milaza zavatra be firy fa manintona
ny sofina fotsiny nohon’ny fivoaran’ny haingony eo amin’ny lafin’ny feon-kira.
Inty ary misy sombin-tononkira-na kalon’ny fahiny iray, mba jereo ne ny hakantony e!
Ny ankanga izay tsara soratra mamiratra raha tazanina
Manjelatra toy ny holatra mahajemby sy mahafanina
Tsy tana an-trano izy kanefa dia mora taitra
Ny akoho tamana an-trano kosa toa jentitra sy kanosa
Mavomavo malefadefaka,maontimaontina raha mireasaka
Handosirana vao manantona hisentoana rehefa takona
Ka iza no tianao
Lazao izay safidinao
Ny mamiratra sa ny vasoka
Ka mahaiza misafidy ny tenanao no aoka handidy
Mety manoritsoritra koa nefa ny tononkirany
MBA TAZANO SOMARY HALAVIRO
IZATO IARIVO MIREHITRA JIRO
FA MANEMBONA HAINGAM-PANAHY
NY SENTO FONGARIN’NY TSIAHY
MIRAKITRA ZAVATRA LALINA
IARIVO JERENA AMIN’NY ALINA
RAHA HILAOZANA RE MBA HIDIRO
TAKARIVA MIREHITRA JIRO
NY RANOMASO INJAY FA MARIVO
RAHA MIJERY IREO JIRO AN’ARIVO
TSY HAIN’NY SAINA HO FONGARINA
NY FITEMPON’NY FO EFA MANINA
Farany, ny hira kalon’ny fahiny dia mitovitovy amin’ny hira amin’ny teny anglisy satria
ny tononkirany dia sahala : samy tsy miverimberina ny tonony ary mampita hafatra sy anatra maro ny hira iray.
Diniho kely anie e!
“Dearly beloved are you listening?
I can’t remember a word that you were saying
Are we demented or am I disturbed?
The space that’s in between insane and insecure
Oh therapy, can you please fill the void?
Am I retarded or am I just overjoyed
Nobody’s perfect and I stand accused
For lack of a better word, and that’s my best excuse”
Izay ary aloha ny masaka azo natolotra aminio fa dia mazotoa daholo e!
Farany, misy hetsika mety mahaliana anao ao amin’ny tranom-pokonola Isotry- anio ariva Zoma faha 19 desambra ariva raha toa ka tia Kanon’ny fahiny ianao.
Loading...
Izaho manokana aloha dia mihaino eh fa ny tena tiako lay maheno guitara ba gasy, mihezaka ihany ny tena mianatra fa sarotra
Tahina - December 19, 2008 at 3:20 pm