TOY INONA NY FIHETSIKA TOKONY HATAO EO ANATREHANA ADIN’NY MPIFANKATIA
Betsaka tokoa ny ady miseho eo anivon’ny mpifankatia.
Mila lanjalanjaina ihany anefa ny fihetsika sy ny fiteny ambara rehefa tojo ireny
trangan-javatra ireny satria mety hanimba ny fon’ny iray ary indraindray
mahalatsa-dranomaso tsy fidiny!
Raha sendra nisy ny zavatra nanembatsembana anao nataon’ny olon-tianao dia tsaratsara kokoa ianao raha tsy manao fihetsika mahery na fiteny mahery aminy satria tiany ianao ka mety hanimba ny fahasalamany izany.
Tsy tsara ihany koa ianao raha maneho fihetsika manambara fa tsy dia misy dikany loatra izy na misy na tsy misy ary indrindra maneho fa ianao dia afaka miaina tsy misy azy:
mankarary ny anaty izany ary tsy levon’ny vavony!
O ry zareo a! Na maro aza ny olana mety hiseho dia ataovy tsapan’ny malalanareo fa tianareo izy ary aza mamela azy ho irery fa tsy mora izany!
Raha tena tianao ny olona miaraka aminao dia aza ariana izy na amin’ny fotoana na toy inona na toy inona! Ary lazao azy, asehoy azy fa tinao foana izy n’inon’inona hadisoana hataony (fa iza moa no tsy mba diso e! impiry diso ianao ao anatin’ny andro iray ary impiry averinao moa io hadisoana io mandritra ny fiainanao iray manontolo? Ohatra iray ny fangalaram-pihinana:fony fahakely dia atao foana izany fa rehefa lehibe dia niala ihany.)
Mba fantatrareo ve moa fa mahabado ne ity mitia olona ity e! Izany no mahatonga ny mpifankatia miady satria rehefa tafalatsaka tanteraka ny iray dia lasa manome ny rehetra any aminy izy ka very daholo ilay hafetsena madinidinika. Hany ka rehefa miresaka dia mbola tsy maintsy sahirankirana kely amin’ilay mieritreritra hoe ahoana indray moa izao no ialako amin’ilay fametsena? AMin’ny voalohany izany fa mila fahazarana fotsiny!
Tena tantara marina izany ary efa voadinika.
Setrin’ izany rehetra izany, rehefa fantatrareo izany ny antony mahatonga ny iray manao zavatra iray dia fantaro sy karohy amin’izay ny fomba fifanazavana!
Loading...