Ny amin’ny fanaovana fety
Tonga tokoa izao ny andro famaranana ny taona!
Andro vitsivitsy sisa dia migadona ilay andro firavoravoana fanombohana ny taona 2009.
Ho tapitra tokoa izao ny taona 2008; tsara raha mba manao fandinihana kely ihany isika momba ny tsara sy ny ratsy vita tamin’iny taona lasa
iny: nisy ve ny fivoarana tao anatin’izay fotoana izay sa dia tsy niova mihitsy ny fiainana?
Mbola manana andro vitsivitsy isika hieritreeretana momba izay ka izay lesoka rehetra hita dia mety tokoa raha hitadiavana vaha olana.
Aza matahotra fa io dia handalovan’ny olona rehetra fa ny fiezahana miala sy tsy manao izany intsony no ahafahana mivoatra ary mitombo fahendrena.
Ao anatin’ny fety isika izao: tokony hahay handanjalanja ny zavatra hatao na ny fihetsika na ny fihinanana na ny fisotroana.
Tsy tsapan’ireo izay mihoa-pefy mantsy fa tsy mahatonga azy aiza akory izany tsy fahalalana honony izany fa filibana sy fanimbana tena ihany.
Raha hiari-tory isika dia tsara raha mahalala maka aina tsara alohan’ny hanaovana izany sy ao aoriana,raha manangona sy mamerina ny hery rehetra ilaina sy ampiasain’ny vatana. Maka aina e!
Ny zava-mahadomelina dia mety tokoa raha halavirina satria tsy tsara ho an’ny fahasalamana izany ary tsy misy mahatsara azy mihitsy: mitondra ny vatana hiala amin’ny fieritreretana ary mety hampidi-doza ihany koa
Mirary fety sambatra ho anareo ary izaho ary hitondra soa sy fanambinana ho anareo anie ity taona ho avy manaraka ity.
Loading...