Flagmada
Fotsy mena maitso ihany ny antsika e!

Ny fahamaroan’ny LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Na tanora na lehibe na antitra dia samy efa saika nanao ny adalana keliny daholo teo amin’ny sehatry ny fitondrana fiara na moto na bisikileta.
Amin’izany na iza na iza dia tandindomin-doza foana eny an-dalana ka izany indrinra no tokony hitandremana

Ianao mamaky io ve rehefa mandeha eny amin’ny arabe dia mba mahalala mandeha eny amin’ny toerana voatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sa dia isan’ireo tsy manara-dalana ka eny am-povoan’ny arabe no mitonatonana?
tsara ny manamarika fa ny zavatra rehetra dia natao satria ilaina sy mahasoa indrindra moa fa ireny fananana hiombonan’ny vahoaka ireny.
Ary raha miampita ianao dia mba mahalala mamonjy ny toerana natokana amin’izany ve sa dia eny amin’izay mamin’ny tena ihany???

Ary raha toa ka isan’ireo mitondra fiara ianareo.Moa ve mba mahalala manaja ny fepetra rehetra sa manao izay danin’ny kibonareo fotsiny?
mba mandeha amin’ny antonony ve ianareo sa mirifadrifatra be?

Mba asio fiheverana ihany re ny atao fa lahitokana ny aina ka isika mety mihevitra fa zavatra toy izany dia tsy mahatonga na inona na inona nefa tsarovy fa ireny no hipohiran’ny trangan-javatra mahatsiravina
mahavery ny aina.Toerana rasty hatrany no hiafaranaraha tsy mitandrina sy tsy mifanaja, na n y any am-ponja na ny any amin’ny hopitaly, na am-pasana
Koa aleo samy handray ny- fanapahan-keviny ny tsirairay.

No Responses Yet to “Ny fahamaroan’ny LOZAM-PIFAMOIVOIZANA”

Leave a Reply