Flagmada
Fotsy mena maitso ihany ny antsika e!

Dec
17

Anisan’ireo firenena mahantra tokoa i Madagasikara.
Toy ny firenena rehetra ihany dia misy ny manana ary misy koa anefa ny tsy mba
manana na ny vary hohanina anio aza.

Ny olona mahantra dia saika ho hita eny an-tsena eny, na eny ambany tunnel,
manangana trano baoritra ary ao no manorina ny fiainany, ny sakafo tsy zarizary zara raha
homana in-telo isan’andro akory aza.
Aiza ery kosa anefa ny fiainan’irony hafa, misakafo maroloko feno otrik’aina
isan’andro miampy ny trano tsara voatra zay miorina an-tany mafy.
Izany rehetra izany dia entina milaza fa na dia noharian’Andriamanitra hitovy aza
ny olombelona dia mbola samy hafa ihany ny fari-piainana hananan’izy ireo.

Tsy fidiny ho azy ireo anefa ny ahantra fa mety ho lahatra ihany izany,
ny manampy azy ireo no azo atao fa tsy sanatria akory hanenjika na hanabado ary indrindra
moa efa vanim-potoanan’ny Noely izao ka tokony hieritreritra hanasoa azy ireo isika
ka raha manana akanjo 2 ianao dia mba tolory azy ny iray.
fahaizana mizara no toe-panahy tokony hananantsika mandritra ny Noely ary manome
ny mahantra no tsara atao ho fanamby.

Ny mahantra moa dia tsy voatery ireo izay ory ara-pitaovana fotsiny fa ao koa ireo
ory ara – pitiavana, ara-tsiky, ara-pinoana…
Koa mirary tokoa aho fa ianao izay mamaky ity lahatsoratra ity dia hanome ireo izay
tsy manana, ory satria afaka manolotra izany sady mba manasoa ny hafa ihany koa e!
Ary moa va tsy TSARA KOKOA NY MANOME NOHON’NY MANDRAY! :)

Dec
16

Krismasy ny andro!
Betsaka tokoa amin’izao ny kilalao hita etsy sy eroa
samy manana ny tandrify azy moa ny olona ary tsapa, ary koa tsikaritra fa ny filana dia miovaova arakaraky ny olona, ny toerana ary ny vanim-potoana hiainana.
Ho an’ireo ankizy dia kilalao maro isan-karazany no faniriana tiana ho azo ho
an’izany antsoina hoe noely izany na fiara kely, na saribakoly, na baolina tsy tambo ho isaina izany rehetra izany.
Ho an’ireo efa somary lehibe dia efa zavatra hafa tokoa no tadiavina, na fitaovana
hoentina mihaino hira, na boky, na akanjo sns
Ho an’ireo efa tafiditra ao amin’ny vanim-potoana maha olon-dehibe indray kosa
dia fiovana ho amin’ny tsara indray no hita fa fanirinany tiana ho azo ho amin’ny noely:
tsy amin’ny dadabe noely tsy akory no angatahiny izany fa amin’ilay Nahary.
Fanampiana ho tonga ho olom-banona, ny fisiany fivoarana eo amin’ny fiainany
ary ny fahombiazana

Samy manana ny heviny sy ny hetahetam-pony marina tokoa ny olona fa raha ny ahy
manokana aloha no asiana teny dia ny mba hitiavanareo ny “blog”-ko no hetahetam-poko
lehibe indrindra! :)

Mirary krismasy sambatra e!

Dec
16

Miarahaba antsika rehatra indray e!

Nanao fandinihina irony zaza aho dia liana ary koa variana
Fa ny teny aloaky ny vavany dia toa mamy sy mahafatifaty
Tsy ny endriny ihany no mambabo ny fo fa na ny masony aza mahasondriana
Ny takolany toa miroraka, ny fihetsiny mamaky ny anaty

Tsy hay ny tsy handre ny teny tsy fantatra lazainy mibadabada
Ary raha hanontaniana toa mamaly foana hoe any amin’ny mama sy dada
Tsy mahagaga raha any ny ory no maka tsiky sy manarina ny fony
Fa ao no mosy lapa vaovao ary ao no tontolo tsy mbola hitanao

Sasatra foana ny mananatra azy ary any tokoa no hanarenana ny ho avy
Ny hazo tokoa hono no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara
Koa aza miandry ela fa velezo ny vy dieny mnbola mafana
Ahintsio izy dieny kely fa rehefa lehibe ka hihena sisa ny anjara

Mahafatifaty tokoa anie ireny zaza ireny indrindra rehefa miantso
Toa hita taratra amin’ny feony ny ao am-pony
Tsy mba mibetroka, tsy mikitakita
Fa malemy fiteny,Malefaka fihetsika

Amporisihina ary isika haka tahaka ny toe-jaza ka hahay ampihatra izany
amin’ny fiainantsika: tazomy ny halemem-panahiny, ny halefahany ary ny fananany
fitiavana lehibe… Aza dia manao fanahin-jaza be loatra ihany koa anefa fa misy
fetrany avokoa ny zavatra rehetra.

Mazotoa daholo indray e!!!

Dec
16

Efa tsy vaovao amintsika intsony ny teny hoe fangalarana.
Malaza na amin’ny gazety na amin’ny onjam-peo sy fahitalavitra ny halatra.
Manako hatrany ambanivohitra ny feony ary miroborobo izy any an-tsena.
Tranga iray tena nisy ity tantaraina ity, tsy entina hanenjehina akory fa ampieritreretina.
Narary mafy ny rain’izy mianadahy kamboty reny.
Ny vavy dia kely mampiditra tovolahy an-trano, ary ,ny lahy zandriny kosa mangala-bola.
Nalahelo mafy ity ray tsy afa-manoatra miady mafy amin’ny aretina mahita ny fanabeazana
tsy ampy hananan’ireto zanany.
Tapa-kevitra ny hitsabo tena rangahy ary nodidiana.
Tsy tafavoka velona anefa izy ary eo vao nieritreritra hoe aiza ny tany alehan’ireto
kamboty ray sy reny??

Ny fangalarana noho izany dia vokatry ny tsy fahampiana: ara-pitiavana,
ara-panabeazana ary ara-pilana.
Misy moa andian’ankizy mihitsy ankehitriny izay havanana tanteraka amin’io sehatra
io ary manao izany ho fanenjehana ny hafa sy hifanianna lamaody amin’ny hafa.

Na lahy na vavy dia mahay an’io resaka io rehefa ferana amin’ny zavatra tena ilaiiny
sy mbola afaka miandry ao an-trano.
Mijaly tokoa anefa ny ray aman-dreny raha mahita ity zanany mirenireny manaonao foana!

Dec
16

Betsaka tokoa ireo tanora ankehitriny no efa tafaroboka ao anatin’ny fitiavana.
Tsotra tokoa ny antony izany:”ny fahatongavan-tsaina”.

Tsapan’izy ireo tokoa mantsy fa misy banga ao amin’ny fiainany ary mila fenoina izany:
tombontsoa no sintominy ao antin’ny fiarahan’olon-droa saingy tsy maintsy misy hatrany
anefa ny olana madinidinika.

Raha tena tia ny olona iray dia tsy maintsy saro-piaro foana nefa tsy tokony hatao
diso tafahoatra loatra izany fa ferana ihany,
Ara-dalana tokoa raha mifehy ny fiainany ianao satria Ramalina aza mifehy hazo tokana:
tsarovy kao anefa fa ilainy ny miresaka amin’ny namany mba ahafahany mivelatra toy ny
olona rehetra.
Tsy tsara raha mahatsapa ny olon-tianao fa tsy misy fitokisana aminy mihitsy ianao ary
mety hanimba ny fifandraisana izany.

Ny ady:
Raha sendra nisy hadisoana vitany dia tsara aloha ny miresaka ary miezaka hatrany
ny ahazo ny antony tsy nahatafavoahany ny kinendry ary mipetraka eo amin’ny toerany
manokana mihitsy raha ilaina,
Rehefa tsy azonao mihitsy ny antony nanaovany an’ilay fihetsika na toetra dia eo
vao tsara raha mifanazava mety ho henatra tokoa ny tsy nanambarany ny marina,
fa tsy dia ilaina ny mifamaly

Mety ho be andainga koa anefa ny malalanao nefa antony roa mazava tsara no mahatonga
izany:
1-tafahoatra loatra ny fitioavany anao ary manosika azy handainga mba tsy ahatezitra anao
2-tsy tia anao izy ary manafina zavatra aminao.

Ny mifanintsy amin’izay tsy mety atao,na mifanoro amin’ny lalan-kombana ary ny
fifampitokisana no ampinga hoentina miaro ny fifandraisana ho tsara.

Tsarovy ihany koa fa rehefa maka fanapahan-kevitra ny hiaraka aman’olona dia manaiky
marina ianao ho tompĂ´n’andraikitr’iny olona iny ary hanaja azy.

Mba asio fandinihina kely hoe ity fanontaniako ity: hajainao ve ny olon-tianao?
na amin’ny fomba fihetsika sy fiteny ary toetra hatolotrao azy aza?!

Dec
06

Malaza tokoa eo amin’ny tontolon’ny tanora ny mozika.
Vao kely izy dia taizaina ao anatin’ny mozika. Ampombaina azy avokoa izao fitaovana rehetra izao mety hahenoany izany. Fialamboly, fakana aina, fiovana tontolo no atolotry ny mozika azy ireo ary mety mety hiteraka vokany tsara ary koa ratsy.
Anisan’ny maha tsara ny mozika ny firindrany manampy ny ankizy hahay handamina ny fiainany. Ao ihany koa ny hakantony manampy azy amin’ny fikatsahana ny tsara na dia hoe samy manana ny kanto aminy aza.
Anisan’ny voka-dratsiny koa nefa ny fanovan-toetra ateraky ny ny hafatra hapitain’ny mpanakanto. Indraindray mahatonga tsy fanajana ny ray aman-dreny ka tsy mahalala ny fetran’ny faniriana intsony. Hoan’ireo tsy mahay mandanjalanja dia misitaka amin’ny fiaraha-monina izy raha vao mandray ny fitaovana hihenony mozika.
Koa mitandrema ihany ary fa na ny vary aza mety mahakenda.
Ireto misy fomba vitsivitsy mety hahafahanao maka hira amin’ny tranokala :
Voalohany

Faharoa
Raha misy hafa mety hahazoana hira tsara koa any aminao any dia mba zarao ny liens e!
Farany, nareo ve mahita toerana mety azontsika mampiakatra hira e! Tsy hoany andanitra akory fa ao amin’ity tontolo tsy hita maso ty fotsiny ihany.

Dec
01

You’ve been waiting for that one years ago. So here it is!

That is the right place to have your say.
There is nothing wrong in whatever you say nor write. Just express things that pass through your mind.

Spelling (jinx), just don’t care! Once you are understood, that is more that enough.

What is gonna book that page?

If that is what passing through your mind, then here is the accurate response:

All and everything.

yes dude, that will contain all about our daily. Things are hidded form public eyes.

I guess your are itching to see the next, just keep your fingers warm enough and stick them on that keyboard, I will be back very soon!

Dec
01

Efa ela no niandrasanao azy. Iny ary fa tonga.

Toerana iray ‘ty natokana hametrahan’ny mpamaky ny fihetseham-pony. Soraty avokoa izay tianao holazaina rehetra fa tsy misy bedy zany eo. Ny teny rehetra rehefa misy dikany dia azo soratana avokoa.

Tsy misy ny teny ratsy fa tsara kosa nefa raha toa ka mba asiana ihany ny fifanajana.

Natao ity faritra iray ity hoy aho mba ametrahana diam-penina.
Ny gazety mantsy hono ry zareo natao ho an’ny olona manana vola ihany ( Ar200 vao mamaky). Ny tranokala kosa ty efa afaka jerena na dia Ar15 fotsiny ihany aza. Aza misalasala mihitsy araka izany fa mazotoa.

Inona avy ary ireo zavatra mety horesahina ato amin’ity faritra ity?

Raha izany no fanontaniana mandalo ao anatin’ny sainao dia tsotra ihany ny valiny.

Izay zavatra rehetra azo soratana tsy misy fetra. Raha ny ahy nefa no tiako an, dia mety hafinaritra raha rony zavatra tsy sahin’ny olona aseo eny imasom-bahoaka ireny no habahana ato.

Tsy ho ela dia hahazo vaovao mikasika izany ianao fa mahareta kely!